ENMG

ECOLE NATIONALE DE LA MAGISTRATURE
ET DES GREFFES

Communiqué

Communiqué de presse du 22 décembre 2020


Ny Sekolim-Pirenena fanofanana ho Mpitsara sy ho Mpirakidraharaha, tao anatin’izay fotoana tsy nisy fifaninanana hidirana mpianatra ho Mpitsara sy ho Mpirakidraharaha izay dia :

  • nanadio ny fitantanana sy nametraka ny fangaraharana tamin’ny fanefana tsikelikely ireo trosan’ny Sekoly sy ny fametrahana ny « logiciel de modélisation du système d’information », izay ahafahana mahafantatra ny fizotrin’ny asan’ny sampan-draharaha tsirairay amin’ny fotoana rehetra eto anivon’ny Sekoly,

  • nanavao ny didim-panjakana mifehy ny Sekoly hifandrindra amin’ny ny Velirano sy ny IEM ary ny Politikam-panjakana,

  • nampiditra ny Sekoly tao anatin’ny taona arivo fahatelo « troisième millénaire » amin’ny alalan’ny famerenana ny tranonkalam-pifandraisana « site internet » sy ny fametrahana ny « plateforme e-learning » ahafahana manatanteraka fampianarana ampitain-davitra « formation à distance »,

  • nanavao ny fotodrafitrasa sy ny fitaovam-pianarana handraisana ireo mpianatra vaovao,

  • nanamafy ny fanofanana ireo Mpitsara sy Mpirakidraharaha amperin’asa izay avo telo heny mihoatra ny teo aloha. Raha tamin’ity taona ity na teo aza ny hamehana ara-pahasalamana dia nahavita fanofanana miisa 22 ny Sekoly ka Mpitsara 620 ary Mpirakidraharaha 105 no nisitraka izany. Voakasik’ireo fanofanana ireo ny rafim-pitsarana rehetra manerana ny nosy,

  • nanome fanofanana manokana hoan'ireo « officiers de police spécifiques »  teo anivon'ny « Office Malgache des Hydrocarbures, Autorité sanitaire halieutique et centre de surveillance des pêches » sy ho an’ireo ben’ny tanana ary ireo tompon’andraikitrin’ny kaominina maro samihafa,

  • namolavola boky toro-lalana hampiasain’ny Mpitsara sy Mpirakidraharaha hanatsarana ny fomba fiasan’izy ireo : «référentiel métier : parquet, siège, enfant et instruction» sy «manuel judiciaire de droit de l’environnement à l’usage des magistrats» ary «manuel de procédures à l’usage des Greffiers»

  • niroso tamin’ny famadihana ho nomerika ireo antontantarasim-panofanana ny Sekoly ka ireo mpianatra dia hisitraka solosaina tsirairay avy amin’ny Sekoly,
  • nanamafy ny fifandraisana tamin'ireo mpiara-miombon'antoka ara-bola sy ara-teknika ary nikaroka mpiara-miombon'antoka vaovao na eto an-toerana na avy any ivelany.

Hatramin'ny nisian'ny rafim-pitantanana vaovao teto anivon'ny sekoly dia efa natomboka ny fanomanana ny fifaninana ho fandraisana ny mpianatra vaovao. Ary ankoatra ireo rehetra voalaza ireo dia isan'ny lehibe indrindra tao anatin'izany fanomanana izany ny famolavolana ireo fepetra rehetra hanafoanana ny kolikoly, ny kiantranoantrano sy ny tsindritsindry isan-karazany eo amin'ny fanatanterahana izany fifaninana izany.

Araka izany dia ny taona 2021 no hirosoana amin'ny fifaninana handraisana mpiana ho mpitsara sy ho mpiraki-draharaha. Vinavinaina ho roa (02) ny fifaninanana atao amin'io taona io raha mamela antsika ny toe-draharaha sy ny hoenti-manana. Ny voalohany dia kasaina atao amin'ny tapa-taona voalohany ary ny faharoa kosa dia amin'ny tapa-taona faharoa.


Antananarivo, faha 22 desambra 2020

NY TALE JENERALY

RAMAROLAHIHAINGONIRAINY Anthony